Info amin' ny teny gasy

   Jaojoby Staff du FNUAP


Fandrindrana Ny Fiainam-Pianakaviana Fitondrana  Vohoka Aloha Loatra (Alohan’ny Faha 18 Taona) VIH/SIDA Aretina Azo Avy Amin’ny Firaisana Ara-Nofo

 

Fandrindrana Ny Fiainam-Pianakaviana
Fantatrao ve  :
~> fa maro be ireo fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana azo hisafidiananao sady sahaza anao : Norplant, pilina, tsindrona, fanapahana ny fantson’ny tranon-jaza, ny fanapahana ny fantsona mitondra ny tsirinaina ; ~> fa raha misy vehivavy latsaky ny 20 taona zato dia sahabo roa amin’izy ireo fotsiny no mampiasa ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Raha eo anelanelan’ny 20 sy 24 taona kosa dia fito fotsiny amin’ny olona zato no mampiasa izany. 

Manatona dien’izao ny Tobim-pahasalamana akaiky anao indrindra, misy olona afaka hidinidinika miaraka aminao momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny voka-tsoa azo avy amin’ny fampiasana azy ireo any. Miresaha koa amin’ny ray aman-dreninao ahazoanao ny vaha-olana rehetra manodidina izany.


Fitondrana Vohoka Aloha Loatra (Alohan’ny Faha 18 Taona)

Fantatrao ve :

~> fa maro ny fahasarotana mety aterakin’ny fitondrana vohoka raha zazavavy latsaky ny 18 taona ianao. Ohatra amin’izany : fahafatesana, zaza tsy tonga volana, zaza maty ao am-bohoka

~> fa ny fanalan-jaza no tena antony lehibe mahatonga ny fahafatesan’ny vehivavymitondra vohoka.

 

~> fa betsaka ny voka-dratsy mety ateraky ny vohoka tsy niriana eo amin’ny tovovavy, ohatra amin’izany ny tsy fahafahana mianatra. Ary mitarika koa ny fitombohan’ny fanalan-jaza izay mitera-doza tokoa.

~> fa ny fotoana tsara indrindra hiterahana hoan’ny vehivavy dia eo anelanelan’ny faha-18 taona sy ny faha-35 taona.
Aleo tokoa mantsy misoroka toy izay mitsabo na koa hoe aleo maharaka toy izay miraraka.

VIH/SIDA

Fantatrao ve :
~> fa ny SIDA dia aretina mifindra azo indrindra indrindra avy amin’ny firaisana ara-nofo amin’ny alalan’ny otrik’aretina VIH.

~> fa ny SIDA dia aretina mahafaty ary mbola tsy nahitana fanafana.

 

~> fa ny olona mitondra ny otrik’aretina VIH dia mety tsy mahafantatra fa ao amin’ny tenany izy io, ary tsy misoritra eny ivelany fa mitondra io otrik’aretina VIH io izy, ary tsy misoritra eny ivelany fa mitondra io otrik’aretina VIH io izy.

~> Malagasy sahabo eo amin’ny 10 000 eo ho eo no mitondra ny otrik’aretina VIH amin’izao fotoana izao araka ny vinavina nataon’ny Firenena Mikambana.

Ny fifehezan-tena amin’ny lafiny ara-nofo, ny fifanajan’ny mpifankatia na ny fampiasana kapaoty no fomba azo antoka hiarovana amin’ny SIDA.

Arovy ny tenanao sy ny olon-tianao

"Aza varimbarianä atsika Gasy – mila miaro-tenä ami(n’)ireo aretim-piraisanä – mampiasa kapoty – sady miaro-tenä, miaro olo-tiana – miaro mponin’ i Gasikara" Mba ho avy milay nosoratan’i Jaojoby sy Projet CMS/Protector


Aretina Azo Avy Amin’ny Firaisana Ara-Nofo

Fantatrao ve :

~> fa aty amin’ny faritr’i Afrika dia eto Madagasikara no anisan’ny be indrindra ny olona voan’ny fararisa.

~> fa ny fisian’ny aretina mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (farasisa, angatra) dia manamora ny fidiran’ny otrik’aretina VIH fototry ny areti-mandoza SIDA.

~> fa ny aretina mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voatsabo dia mitarika fahamombazana tanteraka.

Ny fifehezan-tena, ny fifanajan’ny mpifankatia na ny fampiasana kapaoty no fomba azo antoka hiarovana amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo toa ny SIDA. 

Aza manjehy ny andro ho lava fa raiso dieny izao ny fanapahan-kevitrao sao manenina ianao. Ny safidinao tokoa mantsy no hitondra famonjena na tsia hoanao sy ny mpiara-dia aminao.