BABA RAJAOFERA
VATOTSARA - ANTSIRABE
Fifohazana fahatelo nitranga teto Madagasikara (1927 – 1936) tao Vatotsara Antsirabe Antananarivo izay notarihin’i Baba Rajaofera…. Zavatra roa lehibe no hojerena amin’izany
I. NY FIAINANY
Niavaka tanteraka tamin’ny tantaran’Ingahy
Rainisoalambo sy Ineny Ravelonjanahary i Baba Rajaofera.
A. NY FAHAZAZANY SY FAHATANORANY
Zanaka « Pasteur » sady manan-drahalahy Pastora. Voataiza
tamin’ny Filazantsara sy nilomano tao anaty fiainana kristianina. Mahafantatra
tsara ny Soratra Masina ary mandray andraikitra feno teo amin’ny fampandrosoana
ny Fiangonana. Ireto avy ny andraikitra notanany tao amin’ny Fiangonana.
- Mpampianatra sekoly Alahady
- Mpampianatra Hira (Choral)
- Mpitendry zava-maneno
Tamin’ny hafanam-po no nanaovany izany andraikitra izany. Kristiana
teo anatrehan’Andriamanitra izy sady nitondra tena tsy manan-tsiny
araka ny didy sy fitsipika rehetra nomen’ny Tompo…Kristiana Mpandray Fanasan’ny
Tompo, nitandrina ny didin’Andriamanitra hatramin’ny fahazazany….
Nanao izay azony natao tokoa ireo Raiamandreny nitaiza sy nampianatra
an’i Rajaofera ny finoana an’i Kristy. Afa-po ireo Raiamandreny satria
tanterany ny fanekena nataony teo amin’ny Alitara Masina. Faly sy ravo
mahita ny naloaky ny kibony mandany ny androny amin’ny fanompoana ny Fiangonana.
Nidera sy nanakalaza an’Andriamanitra noho izao fahasoavana lehibe izao
satria tsy nivaona tamin’izay nitaizana azy ny ankizy… Tsy dia izany loatra
anefa ny zavatra tsapan’i Baba Rajaofera…Misy zavatra tsaroany fa banga
ao anatiny…..Misy hetaheta tsy hay lazaina nampahory ny fanahiny. Toa tsy
tena azony antoka ny fananany ny fiainana mandrakizay. Ny famonjena dia
vitan’i Jesoa Kristy kanefa toa tsy tsaroany misy fiatraikany amin’ny fiainany
izany.
Raha teo amin’ny ara-nofo tsy dia nisy zavatra nampahory azy loatra
satria tsy mba sahirana tamin’ny asam-pivelomana izy…..Manana talenta tamin’ny
fakan-tsary, nanao ny asan’ny Polisy, niasa tamin’ny hopitaly (infirmier…)
nanangona hajia…
Taty aoriana dia nivaona tanteraka ny fiainany, satria nangetaheta
te-hanakarena izy ka lasa nitady làlana hahazoam-bola. Nifototra
tamin’ny fambolena indray izy. Tsy afa-po tamin’izany anefa izy ka lasa
mpamboatra toaka gasy (18). Niha-nitombo ny hantsana nampisaraka azy tamin’ny
Tompo. Nanana aretina nitaiza azy tao amin’ny kibony izy ka matetika nahavery
hevitra azy izany. Voan’ny aretina atao hoe: rongatra koa izy ka tena nijaly
fatratra ery.
Nivavaka mafy ho azy ihany ny Raiamandreny sady nandatsa-dranomaso
be. Ny zana-dranomaso toy izany dia tsy mba ho very mihitsy fa ny zavatra
rehetra dia samy manana ny fotoanany avy.
B. NY FIOVAM-PONY
Tamin’ny taona 1927 dia efa nielim-patrana hatrany Antsirabe ny asa
mahagaga nampanaovin’ny Tompo an’i Neny Ravelonjanahary. Hoy ny fitantarana
tamin’izany: « any Atsimotsimo any, misy vehivavy anankiray mahasitrana
ny aretina rehetra amin’ny alàlan’ny vavaka sy fametrahan-tanana
». «Nirohotra nankany Ambalavao ny olona. Feno mandrakariva
ny taxi-brousse» avy any Antananarivo nitondra olona hanao fivahiniana
masina any Manolotrony. Ny fitantarana dia niteraka fahalinana te-hahita
tamin’izay rehetra nandre.
Ny hafanam-po sy ny toetra zatra mihetsiketsika, ary ny saina tia karokaroka
tao aminy no nahatonga azy hanapa-kevitra mba handeha hizaha izany zava-mahagaga
tsy afaka ao am-bavan’ny maro izany. Nanantena koa izy fa hahazo fanasitranana
amin’ny aretin-kibo nampahory azy sy ny nofy mampandehandeha azy amin’ny
alina « somnambule ».
Rehefa tonga tany Manolotrony i Rajaofera dia talanjona nahita
ireo olona marobe milahatra miandry ny anjarany ahazoany miditra ao amin’i
Neny Ravelonjanahary. Koa satria maro ny olona mangetaheta mila dinidinika
sy mitady fanasitranana ary hihaona manokana amin’i Neny, dia voatery nilahatra
koa izy niandry ny anjarany. Nandritra ny fotoana lava no niandrasany tao
ivelany fa tsy mety nahazo an’ i Neny noho ny habetsahan’ny olona eo alohany….
Tsy tampotampok’izay dia rafitra nihira samirery izy, hira somary malefadefaka
aloha vao nitombo nihamafy hatrany. Variana nijery azy ny olona rehetra
teo noho ny feony kanto dia kanto.