NY TANTARAN’NY FIFOHAZANA SOATANANA
TOKO I: SOATANANA
1.1/ FAMARITANA ANKAPOBENY
Soatanàna no anaran’ny Foiben-toerana misy ny fifohazana.
Tsy tongatonga ho azy anefa izany fa antony maro izay nikotrehin’ny tantara
no nampiharihary ny tsy fivadihan’Andriamanitra teo amin’ny Fanekena efa
nataony. Ny zavatra maro mifamahofaho ao anatin’izany tantara izany ka
nampisy ny atao hoe tantara no maneho fa Izy Andriamanitra no Tompon’ny
tantara sady miasa ao anatin’izany tantara izany.
1.1.1/ NY TOERANA SY NY MPONINA
A/ Ny toerana:
Eto Madagasikara, ao amin’ny Faritany Fianarantsoa, 51 Kilaometatra
miankandrefana somary mianatsimo kely no misy ny Firaisam-pokontany
Soatanàna (taloha dia tao anatin’ny Firaisana Isorana no misy azy,
fa ankehitriny noho ny fahabetsahan’ny mponina dia novàna ho Firaisam-pokontany.
Fokontany 6 no miaraka aminy: Ampolatany (na koa Ampolotany na Ampelatany),
Ambalalovana (na Ambalalalovana), Iandemoka (na Iandremoka), Iarinarivo,
Soanjoandrano, Ambalamarina. Ao anatin’ny Fivondronan’i Fianarantsoa II,
dia ao amin’ny Faritr’Isandra izay faritra tena Betsileo.
B/ Ny mponina:
Azo lazaina ho isan’ny faritra be mponina indrindra amin’ireo
tanàna manodidina azy i Soatanana ankehitriny. Izany fahamaroan’ny
mponina izany dia nateraky ny asam-PIFOHAZANA avokoa. Ny mponina 6 000
ao anatin’ny Firaisam-pokontany dia 4 500 no monina ao Soatanàna
avokoa. Malagasy avokoa ny mponina ao Soatanàna nefa na dia izany
aza dia hita ao avokoa ny foko rehetra manerana an’i Madagasikara noho
ny tantaran’ny Fifohazana.
1.1.2/ NY FIDIRAN’NY FILAZANTSARA TAO SOATANANA
Toy ny faritra rehetra eto Madagasikara koa i Soatanàna
izay nilomano tanteraka tao anatin’ny fanompoan-tsampy talohan’ny fidiran’ny
fivavahana Kristianina. Làlana 3 no azo tondroina ho nahatongavan’izany
fivavahana izany tany amin’iny faritra iny :
a) Ny Manamboninahitra
- Efa noraisin’ny tany Imerina ny fivavahana notorian’ireo Misionera
voalohany. Betsaka ireo miaramila manamboninahitra no babon’ny Filazantsara.
Ny fanendrena azy ireny hipetraka tany Fianarantsoa no nampiely ny fivavahana
Kristiana tany amin’ny manodidina rehetra tany. Nohon’ny fifangaroharoan’ny
raharaham-panjakana (politika) sy ny raharaham-pivavahana vao mainka nanamora
ny fihanaky ny Kristianisma. Ny manamboninahitra sy ny miaramila miaraka
aminy dia sady mitondra fitaovam-piadiana no mivimbina ihany koa ny Filazantsara.
Sady mpampandry tany no mpitory ny Filazantsara. Sady manitatra ny fanjakan’ny
Mpanjaka no maneho koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tafiditra vokatr’izany
ny fivavahana Kristiana.
b) Ny fanenjehana
- Rehefa tonga ny fanenjehana tamin’ny andron-dRanavalona I (1828 –
1861) dia maro ireo Kristiana nijoro hatramin’ny farany ka namoy ny ainy
ho maritiora. Tsy vitsy koa no nandositra avy any Antananarivo sy ny manodidina
ka niparitaka mieli-patrana manerana an’i Madagasikara. Na dia nandositra
tahak’izany aza izy ireny, tsy navelan’ny Fanahin’Andriamanitra ka notereny
mba hijoro vavolombelon’i Jesoa Kristy, tao ny nanenina noho ny fandosirany
ka nitory an-karihary, tao kosa ny nanao izany tamin’ny miafina ka rehefa
nitsahatra ny fanenjehana dia mora tamin’izy ireo ny nanorina ny Fiangonana
ka niha-fantatry ny Betsileo ny fivavahana Kristianina.
d) Ny Asa Misiona
Ny fitoriana Filazantsara nataon’ireo Misionera dia nanamafy orina
ny fijoroan’ny fivavahana Kristiana.
** Ny faritany Fianarantsoa dia tena zanaky ny L.M.S izay lasa FJKM tamin’ny 1968. Ny tantaran’ny fidiran’ny Filazantsara tamin’iny faritra iny na tamin’ny alalan’ny Manamboninahitra na tamin’ny alalan’ny fanenjehana , indrindra fa tamin’ny alalan’ny Misiona L.M.S dia mampiseho fa avy amin’ny FJKM no nipoiran’ny Fifohazana voalohany. Vokatrin’ny fifanarahana teo amin’ny fizaram-paritany nataon’ny Misionera no nahatonga an’i Soatanàna ho sahan’ny Loterana.*