2.4.2 ASA IVELANY
Tsy ato amin’ny Faritany Fianarantsoa ihany no nielezan’ny Fifohazana
fa tonga tany Toamasina ary naka vahana tao Antananarivo.
A/ TOAMASINA
Notarihin’ny Iraka Rtoa Ramanampisoa tao an-tokantranony ao Tanambao
V. Anisan’ny Toby malaza indrindra ao anatin’ny Faritany Toamasina noho
ny asa mahagaga maro nataon’ny Tompo tao. Fifohazana niankina tamin’ny
FJKM Tranovato Anjoma Toamasina izy hatramin’ny volana Mey 1990. Nanana
fotoana fiaraha-mivavaka isaky ny Alarobia hariva amin’ny 6 ora tao amin’ny
Fiangonana. Mandray marary isan’andro ao an-Toby. Manomana Mpiomana sy
Mpiandry ary manao asa fampaherezana an-toby. Noho ny habetsahan’ny olona
resy lahatra babon’ny Tompo tonga mamonjy fotoam-Pifohazana isaky ny Alahady
hariva (afa-tsy ny Alahady fahatelo izay atao ao amin’ny FJKM Tranovato)
dia nohalehibiazina ny tranon-dRatoa Ramanampisoa. Natao ny fanitarana
ny trano nefa mbola tsy omby ihany noho ny habetsahan’ny marary sy ny olona
tonga ao an-toby. Matetika tsy afaka mihetsika ao an-toby mihitsy i Mama.
Indraindray aza amam-bolana maro tsy tonga mivavaka na mandray Fanasan’ny
Tompo any am-piangonana noho ny raharaha betsaka ao an-toby sy ny fandrosoan’ny
asam-Pifohazana ao.
B/ ANDRAVOAHANGY FIVAVAHANA
Atoa Randrianatoandro Joseph, Mpitandrina no nanorina ny asam-pifohazana
tao tamin’ny 1975. Nandroso sy niroborobo fatratra tokoa ny Fiangonana
noho ny fisian’ny asam-Pifohazana tao. Ankehitriny dia mahatratra 6200
ny mpiangona isaky ny Alahady ary miditra in’efatra. Ny Alarobia izay fotoam-Pifohazana
manokana dia in-droa miditra ka mahatratra 3 600 ny olona tonga amin’izany.
Noho ny fandrosoan’ny asam-pifohazana tao dia nihevitra ny hanao ny Fiangonana
ho Toby ny Mpitandrina rehefa lanin’ny Mpandray Fanasan’ny Tompo. Araka
ny rafitra dia tsy maintsy mitady Renin-toby iankinany izy vao azo ekena
ho toby ara-dalana. Ny fomba fiasan’ny Mpitandrina izay MAHALALA NY HEVITRY
NY NOFY NO MAMPISALASALA IREO TOBY LEHIBE (Soatanana – Manolotrony – Ankaramalaza
– Farihimena). Toy izao no voalazan’Atoa Randrianatoandro Joseph Mpitandrina
ny amin’ny fiantsoana azy hanao izao asa mahagaga izao : « Raha nisehoan’ny
Tompo mivantana aho ka notendreny hanao izao asa izao…dia nangataka famantarana
tamin’ny Tompo aho…dia namaly ahy ny Tompo hoe : «Amin’ny alalan’nyNOFY
no hitenenako aminao sy hanehoako aminao ny zava-miafina rehetra»,
dia tanteraka tamiko ara-bakiteny tokoa izany. Fanomezam-pahasoavana nomen’ny
Tompo ahy ny fahalalana ny hevitry ny nofy sy ny iresahan’ny Tompo amin’ny
alalan’ny nofiko… » Raha misy olona hirotsaka ho Mpiomana ohatra
dia mitantara ny nofiny amin’i Pasteur Randrianatoandro izy dia raisina….
Raha misy marary mila dinidinika dia anontaniana ny nofiny ka omena vaha
olana. Izany fomba fiasa izany dia nolovan’ny Mpiandry sasany ka nahatonga
ny Toby lehibe 4 nitsipaka an’Andravoahangy Fivavahana tanteraka.
Fiangonana FJKM ny Fiangonana Andravoahangy Fivavahana. Koa satria
ratsy ve ny zanakao dia hariana ! Sanatria izany….Niantso an’i Manolotrony
ny Foibe Sampana Fifohazana FJKM amin’ny maha-FJKM azy mba handray
andraikitra hitaiza an’Andravoahangy Fivavahana. Nanao izany tamim-pitiavana
feno fifaliana tokoa i Manolotrony. Nandritra ny roa taona no nanaovany
izany fitaizana izany. Tamin’ny 6 Avrily 1988 dia nanao FANOKANANA MPIANDRY
notarihin’i Papa Rabotojaona tao izy. Ny fahazoana manokana ao amin’ny
toerana anankiray dia midika fa tena TOBY OFISIALY ilay nanaovana FANOKANANA
(araka ny fitsipiky ny Fifohazana FFPM teo aloha). Tamin’ny 10 Oktobra
1989 dia natao indray ny FANOKANANA, lasa daty raikitra fanaovan’i Manolotrony
Fanokanana ao Andravoahangy Fivavahana ny 10 Oktobra. Nahatratra 75 ny
mpiomana natokana ho mpiandry tamin’ny 1990. Ary amin’izao fotoana izao
dia maherin’ny 500 ny Mpiandry efa voatokana ao Andravoahangy Fivavahana.
Misy eo amin’ny 400 kosa ny Mpiomana hatokana amin’ity 1991-1992 ity.
Lasa toerana mampahalaza an’i Manolotrony eto Antananarivo noho izy
nitaiza sy mpanokana ao Andravoahangy Fivavahana.
FEHINY
Mifamatotra tanteraka amin’ny tantaran’i Neny Ravelonjanahary ny Tobim-Pifohazana
Manolotrony. Olona nantsoina tao anaty haizin’ny fahaverezana tanteraka
i Neny Ravelonjanahary ka nampitafiana Masoandro mba hanazava sy
hamindra aina hahavelona an’i Madagasikara. Vehivavy nandray ny fampianarana
izay natolotra azy tany an-danitra ka tsy namihina samirery izany fa nizara
tamin’ny fo feno fanetren-tena ambany dia ambany kosa. Ny zava-dehibe nasongadiny
dia ny herin’ny FINOANA an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Tahaka ny voa nafafy
tamin’ny tany tsara izany hafatry ny FINOANA izany ka namoa avy zato heny.
Ilay voatsinapy no indro misandrahaka mahenika ny Nosy manontolo…