2.2 NY FITORIANA FILAZANTSARA
Tamin’ny taona 1880 dia efa tonga tao Tsienimparihy sahady ny Asa Fitoriana Filazantsara izay notanterahin’ny Misiona L.M.S.. Tamin’ny 1887 dia niorina tao sahady ny toby Misionera «Station missionnaire». Niorina ny Fiangonana sy ny Sekoly. Niezaka nanao ny ainy tsy ho zavatra ny Misionera nitory an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izao tontolo izao. Nandroso ny asa ka nahatratra ny foko Tanal ny Asan’ny Misionera. Tsy nisy fandàvana mihitsy teo amin’ny mponina saingy tsy tena babon’i Jesoa ny fiainany. Jesoa Kristy tsy navelany hanapaka ny fiainany. Eny Jesoa Kristy ivelan’ny fony ka tsy manam-pahefana taminy sy ny ataony. Jesoa Kristy mandondona mandrakariva mangata-dalana te-handroso satria tiany sy maminy loatra ny nahazo toerana ao amin’ny fon’ny olona. Nefa indrisy Jesoa Kristy atao ho Mpanjaka kanefa lavina fadifady ary sikidy sy toro-hevitry ny ombiasa no mibahan-toerana ao am-po. Olona manao tanan-droa sady mitoky amin’ny ombiasa no tsy manapaka andro Alahady amonjena Fiangonana.

2.2.1. NY FAHASAHIRANAN’NY MPONINA
        Ny 96 isan-jaton’ny mponina dia tsy mahay mamaky teny sy manotratra ka mora nambakaina tokoa. Mbola mitohy ihany ny asan’ny Menalamba mampihorohoro ny mpivavaka ka nahatonga fihemorana tamin’ny olona. Mbola namely ny areti-mandringana isan-karazany. Betsaka ny zavatra tsy nazava tamin’izany fotoana izany satria nanjary tsy nitokian’ny olona intsony ny hopitaly sy ny fanafodin-dokotera. Mitovy isa ny olona matin’ny pesta sy ny matin’ny tsindrona.  Ny vanim-potoana nipoiran’ny Fifohazana Manolotrony koa dia tao anatin’ny ady lehibe voalohany izay fotoana nanahirana an’izao tontolo izao manontolo ka nisy akony tany Manolotrony noho ny fanararaotam-pahefana teo amin’ny mpanjanatany. Nisy karazana demonia izay nanahirana sy nahatonga olona ho lasa adala atao hoe «BILOMBARA» no nahavery hevitra ny maro. Lasibatra tamin’ny fanenjehan’ny Katolika koa Manolotrony noho i Tsienimparihy misy « station missionnaire » L.M.S. Maro ireo kristiana nampangaina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny Menalamba. Tsy misy filaminana ny tany sy ny fanjakana ary ny Fiangonana. Iza no hiantsapazana…Aiza no hahazoana vonjy…Inona no hatao ?…Tahaka ny Sambokely tratry ny rivo-doza eny ambony ranomasina i Tsienimparihy izay misy an’i Manolotrony. Mitsena onja mahery, mampiraviray tanana ny vahoaka rehetra ao anatiny. Tsy tazana akory ilay toerana manondro ny fitodian-tsambo. Injay toa manako ao anatin’ny rivotra mifofofofo ny fanontaniana manao hoe : «Aiza ny finoanareo ?» (Lioka 8/25). Ary manangana tandrom-pamonjena ho antsika amin’ny alalan’ny famohazana vehivavy Malagasy iray mba hitondra hafa-PINOANA ho an’ny Malagasy namany.

TOKO III. NENY RAVELONJANAHARY

 Mizara telo ny tantaran’i Neny Ravelonjanahary dia ny fiainany talohan’ny niantsoan’ny Tompo azy sy ny fanomanana azy, ary ny asany.

2.3.       NY FIAINANY TALOHAN’NY NIANTSOANY AZY
Zanaka Ombiasa nikoizana tamin’ny faritra Arindrano ny Rain’i Ravelonjanahary. Noho ny ody teny aminy tsy mba resy an’ady «morengy» na ady miaraka amin’ny tafika ny rainy. Malaza ho mahay mibaiko voay, izany hoe na dia masiaka toy inona aza ny voay dia tsy mba mikasika azy sy ny olona tezainy noho ny ody fanidi-voay eo am-pelatanany. Mahay manohana ny avandra tsy ho latsaka amin’ny voly. Mpanasitrana olona main’ny alàlan’ny ody isan-karazany. Mamantatra andro tsara sy ratsy ka nilàn’olona hevitra tamin’ny zavatra hatao toy ny : hanao famorana, ny fanambadiana, fandehanana lavitra…fandevenana. Sns…Vavimatoa notezaina fatratra tamin’ny fomban-tsampy Renilahy (izany no tena anarany…) ka lasa olon-doloina nitoeran’ny fanahin’ny maty na tsanganan-drazana izany hoe: Miteny amin’ny alàlan’ny olona maty izy, mitovy feo aminy, ary afaka mamantatra ny zava-miafina.
       Noho izy olon-doloina (= olona misy lolo) dia lasa mpanasitrana sy mpanafana (= manala faditra na manala tsiny olona). Nijaly sy fadiranovana izy noho io fanahy mitoetra ao anatiny io. Betsaka ny zavatra notandremany fa tsy azony kasihina satria fady azy. Ny sotro sy ny viliany dia tsy azo nakambana tamin’y vilian’olona na iza na iza satria saro-piaro loatra ny fanahy nitoetra ao aminy. Ny sakafo tsaratsara rehetra dia saika fady avokoa: henakisoa, akoho, amalona, omby bory, voanjobory sns…Voafetra ny zavatra sy fihetsika azo atao, ary matetika miandry baiko avy amin’ny fanahy ao aminy avokoa vao manao zavatra… Ankoatr’izany olona malaza tamin’ny fahaizana tenona koa izy…Manambady an’i Razafimahailaza na Rainiboto na Rainidalo izy ka niteraka iray izay maty mbola tanora nefa namela zazavavy kely iray. Estera no anaran’io zafikelin’izy mivady io. Maty koa io zaza io taty aoriana . Efa nanan-janaka hafa ray Ramatoa talohan’ny nanambadiany an-dRainidalo, Rasoja no anarany, nefa rehefa nivady kelikely ry zareo, dia maty koa io zanany io. Tsy mba nahavonjy azy ireo ny sampy sy ny ody rehetra tao aminy. Voatery nanangana ny zanak’anadahiny izy mivady mba tsy ho irery loatra. Olona tsotra sy tian’ny mpiara-belona taminy izy mivady. Ilay devoly nipetraka tamin’i Renilahy dia fetsy satria mody niseho manasoa sy manao zavatra tsara izy kanefa fatorany amin’ny zatra maro. Ny fitazonany ody mahery sy ny fanahin’ny maty mitoetra ao aminy no mahatonga azy ho maty anaka foana. Ny fomba fiasan’ny devoly dia tahaka izany hatrany, mody omeny fahefana hanao zavatra mahagaga kanefa tsy maintsy misy tambiny dia fahafatesana sy fanandevozana tanteraka ho an’izay olona manaiky hiasany.

SommairePremièrePrécédentSuivantDernier


Notsongaina tamin'ny boky 'Tantaran'ny Fifohazana eto Madagasikara'
nosoratan'Atoa James Rabehatonina, Mpitandrina.