Ny Hova rehetra eto Madagascar dia samy te-ahalala ny niandohan'ny razany voalohany indrindra, koa ny fototra sy ny lehibe indrindra tamin'ny Boky voasoratra mikasika izany dia ao amin'ny Tantaran'ny Andriana teto Madagasikara sy ny fomban'ny mponina izay nataon'i R.P. Callet tanatin'ny taona 1865 ka hatramin'ny 1885, izay efa nahitsy sy ny nankatoavin'ny Académie Malgache.
Araky ny tantara efa fantatry ny maro, satria efa voalaza amin'ny boky ny ankamaroany, ny nihavian'ny Andriana voalohany tetoImerina dia avy amin'ny Hova. ary lazain'ny tantara fa ny Vazimba no tompon-tany voalohany teto, ka nony tonga ny Hova dia resy tosika tsikelikely nandositra izy ireny tamin'ny ady nataon'ny Hova taminy, ka foana ny niafarany ka ny Hova no tonga tompon-tany. Ny sasany tamin'ireo Vazimba ireo anefa dia nivarina niankandrefana any antsisin-tany nisafidy ny hiaina any anaty zohy (ny Bahosy any Bemaraha, anelanelan'ny renirano Mania sy Manambolo), na nifangaro tamin'ny mpiavy. Mbola maro ankehitriny ny anarana sy marika mbola tantara tsy maty fa manamporofo ny fisian'izy ireo: Ambatobazimba, Ampasambazimba, mpanjaka vazimba, etc...
Rehefa nitombo isa ny Hova, dia nitombo ihany koa ny ady nataon'ny Hova tamin'ny Vazimba, sy ny tamin'ny Hova samy Hova, ka nahatonga ny fisian'ny mpanjaka kely maro samihafa tamin'ny toerana maro sy miparitaka maro.
Raha nifanafika ny olona tamin'izany dia samy nanao manda sy hadivory iarovana ny vady aman-janany avy, ka tamin'izany ady nataon'izany dia samy nanana ny filohan'ny azy avy izy ireo, nefa kosa talohan'ny fisian'ireny dia tsy nandry andro tsy nandry alina ny vahoaka, fa any an-tsaha sy any anaty lavaka no misitrika. Fa nony tonga ny hevitry ny maro nanangana olona mpitarika sy filohan'ny fianakaviana hanafika dia tonga nandry an-tanàna ny olona sy nandry an-trano, satria rehefa ireny filoha ireny no miambina ny tanàna sy mitarika ny mpiady dia mahita tory ny zaza amam-behivavy, ka izany hono no nanaovany azy hoe Andriana, na hoe nahazoana mandry na nahitan-tory. Koa noho izy nampandry ny olona no nanaovana azy hoe "Andriana".
Tetsy ankilan'izany koa dia hita soritra fa ny Razamben'Imerina
sasany avy any ivelany dia taranaka Mpanjaka na Mpisorona nandova
foto-pisainana sy fomba fitondrana nahazoan'ny vahoaka nilaozany nAndry
fehizay, ka tiana ho nalain-tahaka nampiarina teto amin'ity Nosy ity.
Ary rehefa nisy toy izany ny andriana, dia matetika ny filohan'ny mpiady
sy ny olona azo hitokisana no nomena anarana miantomboka amin'ny hoe ANDRIANA.
Koa, taty aoriana, mba ho fanavahana ny "hasina" sy ny "fahamboniana"
teo amin'ny fiaraha-monina dia nampiana hoe "MANJAKA" ny anaran'ireo
Filoha lehibe indrindra mpitondra fanjakana: ohatra, Radama-Manjaka,
Ranavalona-Manjaka...
| Jiosy Ve?>> |
Retour
au Sommaire | Contact
|