D)- FAMPIBEBAHANA
«Ny hira rehetra hirainareo dia diniho tsara ny tonon-kira… Aza
variana mijery fihirana fotsiny fa eritrereto lalina izay voalaza… Raha
izao no mitohy dia ho maro no ho tonga any amin’ny helo….mifonà…mibebaha…ataovy
izay hataonareo ahy, fa tsy maintsy mampiala anareo amin’ny fahotanareo
aho… lelafiko ny faladianareo mialà amin’ny fahotanareo ianareo….
Ny Fifohazana dia fialàna amin’ny torimaso ka manatona sy mandray
ny mazava».
E) – NY FAMPIANARANY
Ny famakiana ny Baiboly no maminy sy tiany indrindra hatramin’ny fahazazany.
Ny fampianarana rehetra izay nataony dia miorina amin’ny alàlan’ny
Soratra Masina. Hoy indrindra izy: «Ry zanaky ny Filazantsara…
hatony ny Pastoranareo ka mianara Soratra Masina aminy. Takio aminy ny
hanokanany fotoana mba hampianatra anareo…. Tsy misy nampahiratra anareo
afa-tsy ny Soratra Masina ihany. Ny Soratra Masina no hanitsy ny dianareo
mba tsy hivilivily ary izy irery ihany no hahazoanareo hery ho enti-mandresy
amin’ny zavatra rehetra… Raha tsy ny Soratra Masina no mamoha ny olona
dia mifohafoha foana izy».
5.2.4. IREO ZAVATRA MITERAKA ADY HEVITRA AMIN’NY FIFOHAZANA ANAOVAN’I DADATOA TENY MANOKANA
1) FAMOAHANA DEMONIA
Rehefa mandre sy mandray ny tenin’Andriamanitra ny olona dia mora avokoa
ny mamoaka demonia. Samy mahavoaka ny demoniany avokoa ny olona rehetra
rehefa mino ny Filazantsara. Kanefa tsy maintsy mianatra sy miomana ary
voatokana marina vao mahazo mametra-tanana.
2) FANOAVANA
Tena ara-Pilazantsara ny fanoavana ny mpitondra na ara-panahy na ara-nofo.
Ny olona mifoha hoy izy dia mpanara-dalàna.
3) NY FANAFODY
Raha inoanao fa hahasitrana anao ny fanafodin’ny dokotera hoy izy,
dia sotroy araka izay, ary inoy fa na dia ao aza ny fahaizan’ny dokotera
dia ao koa ny hevitr’Andriamanitra. Ny tenako hoy izy dia mba notsaboin’ny
dokotera koa (Aogositra – Oktobra 1945) tao amin’ny hopitaly Antsirabe.
4) NY SAKAFO SY FITAFIANA
Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinana na fisotroana (Roma
14/17). Tsy ny tarehim-pitafiana no maha-Kristianina nefa tokony ho maotina
ny fitafiana.
5) FAMPIHAVANANA.
«Tsy ampy ny fibebahana raha tsy hihavana sy hifamela heloka
amin’ny namana».
6) NY FAHITANA SY NY NOFY
«Aza maniry ny hahita fahitàna sy hanonofy fa betsaka
ny voafitaka amin’izy ireny. Tsara ny mifikitra amin’ny tenin’Andriamanitra
irery ihany.»
5.2.5. NY FIAFARAN’I DADATOA RAKOTOZANDRY DANIEL
Tonga tao Farihimena nanao ny asa Pastoraly tamin’ny volana Mey 1946
izy. «Fantatro fa ny Filazantsara nampianarin’ny mpampianatro rehetra
ahy no naha-toy izao ahy. Ary tsy Jesoa Kristy lavitra no nikarakara ahy
fa Jesoa Kristy nampiasa ny fitiavany ahy tamin’izay rehetra nalehako.
Tsy tia Azy aho, kanefa tia ahy Izy, ka resin’ny fitiavany aho. Ta-handao
Azy aho kanjo tsy mba nandao ahy Izy. Namono Azy aho, nefa Izy nivavaka
ho ahy ka tonga zanak’Andriamanitra aho. Fantatro izany ka tsy hiady Aminy
intsony aho, fa hianatra Aminy kosa. Ho toy izany anie ny Malagasy namako
rehetra hoy izy.
Nitokana nivavaka tao an-tany malalaka ao an-tampon’ny Farihimena izy.
Niseho taminy tao ny Tompo ka niteny hoe: «Rakotozandry malala
! miandry anao any am-piangonana ny olona… ka mankanesa any…»
Dia namaly Dadatoa ka nanao hoe: «Inona no tianao ho lazaina amiko
amin’izany Tompo ô fa vonona ny hanao ny sitraponao aho». Dia
hoy indray Jesoa taminy: «Miandry anao ny olona fa mahay mitoriteny
ianao… mahay manasitrana ianao… mahavita fahagagana ianao… te-hahita anao
ny olona … Takona ny voninahitro fa tsy Izaho intsony no tadiavin’ny olona
fa ianao… Aza malahelo Rakotozandry malala ô! hianao no hiaraka amiko,
hiaraka isika roalahy izao ary ny asa tsy vitanao aty hataoko»
Rehefa tonga tao am-piangonana izy dia nananatra ireto vahoaka marobe niandry azy ary nandidy azy ireo mba hibebaka ka hitodika amin’ny Tompo. Tamin’ny faha-9 volana Novambra 1947 dia tsy afaka nampandray intsony Dadatoa Rakotozandry. Hoy izy hoe: «Telo andro sisa dia ho faty aho, kanefa mbola betsaka ny trosa mbola tsy voaefako. Teo anilany tamin’izany fotoana izany i Neny Ravelonjanahary niresaka taminy. Nanontany azy i Neny hoe: «Inona no nolazain’i Jesoa anao?» Dia namaly am-pitsikitsikiana izy hoe: «Andao…andao…avia aty hiala sasatra». Ary ny faha-13 ny volana Novambra dia afaka tamin’ny fahasambarana feno ny ainy.
FEHINY
Dadatoa Rakotozandry Daniel Pastora dia zatovolahy nafana fo tamin’ny fitoriana ny Filazantsara ho fampibebahana ny olona. Ny masony dia miantefa amin’ny olona tsirairay mihaino azy teo am-pitorianteny ka nahatonga ny olona ho voatsindrona mandrakariva tao am-pony ary nibebaka. Ny fahoriana mafy nianjady taminy no nananany herim-panahy mahagaga izay nahavitany ny asa mampitolagaga notanterahin’ny Tompo tamin’ny alàlany. Tao anatin’ny aretina mafy indrindra no nahatsapany fa tena akaiky azy tokoa ny Tompo. Naminany ny amin’ny ho avin’ny Fiangonana sy ny Fifohazana izay efa tanteraka avokoa izy.