5.2. NY FIAINANY
Daniel Rakotozandry dia zanaka tantsaha avy ao Antanisarotra akaiky
an’Isoavina fivondronan’i Betafo. Teraka tamin’ny 16 Aogositra 1919, ary
farofy hatramin’ny fahazazany. Nanana aretin-dratsy kitoratorana izay nitaiza
azy izy. Nampijaly azy sy ny raiamandreniny ny fisehoan’izany aretina izany.
Tamin’ny faha-8 taonany dia efa nametrahan-tanana nanaovana asa-fampaherezana
izy. Tao aminy sahady ny faniriana te-hahita maso an’i Jesoa tamin’izany
fotoana izany.
Rehefa feno folo taona izy dia nanomboka nianatra tao amin’ny sekoly
Fanabeazana Fototra an’i Misiona Norveziana tao Betafo. Noho ny aretina
nitaiza azy dia voatery nentina nody mba hotsaboina any an-tanànany
izy. Tamin’ny faha-12 taonany dia nentin-drainy tany amin’ny mpanao ody
(mpimasy) izay tsy nahitam-bokatra akory izy.
Indray andro dia torana naharitra fotoana ela izy ka efa nataon’ny
rehetra fa maty mihitsy. Efa vita mbamin’ny dinika ny fandevenana sy ny
fomba rehetra fanao amin’ny maty… Tamin’ny alàlan’izany torimasom-pahafatesana
maharitra izany no nisehoan’ny Tompo taminy. Hoy indrindra ny fitantarany
izany : «Indro hitako olona miakanjo fotsy lava, niforo teo anilako
niteny tamiko hoe: «Raha matoky Ahy ianao, dia hositraniko amin’ny
aretinao». Nanaiky ny teniny aho, ka dia taitra ary velona sady afaka
tamin’ny aretiko.
Niverina nianatra indray izy ka nahita fahombiazana hatrany mandra-panalany
ny fanadinana C.E.S.D. Ny tsy fahafahany fanadinana «1ère
serie» hakana ny mari-pahaizana C.E.S.D no niteraka famoizam-po taminy
ka nahatonga azy nikomy tamin’ny Tompo. Tonga nitsara an’Andriamanitra
ka niteny hoe: «Mizaha tavan’olona izao Andriamanitra izao… koa raha
tiany marina aho … nahoana no tsy nataony afa-panadinana… tsy handeha hivavaka
intsony aho manombok’izao…». Dia notanterahany ara-bakiteny tokoa
ny teniny ka tsy niraharaha Fiangonana intsony izy.
Niseho taminy tao anatin’ny torimaso indray ny Tompo ka nanontany azy
hoe: «Rakotozandry, inona izao ataonao izao ?» Taitra tampoka
izy sady niarina ka avy hatrany namely totohondry Ilay olona manao akanjo
fotsy lava niteny taminy. Indrisy anefa, ny farafara indray no voan’ny
totohondry nalefany ka nampanaintaina fatratra ny tanany. Taty aoriana
dia mbola niseho sy niresaka taminy ihany Ilay olona miakanjo fotsy lava
nefa tsy norarahiny akory ary nanaovany teny an’avona aza. Tsy nety nangina
tao anatiny ny fiantsoana azy ka nanaiky tsy sazoka izy hampianatra tao
amin’ny sekoly Misiona tao Tsaratanana na dia tsy sitrany ny ho mpiasam-piangonana.
Nandray andraikitra tamin’ny fampianarana Sekoly Alahady izy ary notendrena
ho Katekista ihany koa… Manana fanomezam-pahasoavana mamantatra ny
zava-miafina ao am-pon’ny olona izy ka nanjary fitaovana nampandroso ny
asa maha-Katekista azy izany. Mora taminy ny mandresy lahatra ny olona
hanolo-tena ho an’Andriamanitra.
5.2.1 RAKOTOZANDRY NIANATRA PASTORA
Tafiditra hianatra Mpitandrina tao Ivory Fianarantsoa izy tamin’ny
1942. Nisosa soamantsara ny fianarany ka tsy dia nisy zavatra nanahirana
azy akory tamin’ny fianarana. Tamin’ny famaranana ny taona faha–3
dia narary mafy indray izy ka voatery naiditra hopitaly mihitsy. Nandritra
ny 40 andro izy no notsaboina tao amin’ny Hopitaly. Na dia niaritra fangirifiriana
mafy aza izy nandritra izany fotoana izany dia finaritra kosa noho ny herin’ny
Tompo miasa ao anatiny. Tsaroany tamin’izany ny Tompo nalain’ny Devoly
fanahy tany an’efitra 40 andro sy 40 alina mialohan’ny hirotsahany amin’ny
asam-pamonjena an’izao tontolo izao. Raha nitantara ny aretina nahazo azy
izy dia izao no nolazainy : «Misy rivotra mifofofofo mibosesika niditra
eo amin’ny vavoroko ka sempotra tahaka ny olona nasitrika tao anaty rano
aho. Rehefa lasa iny, dia nisy indray zavatra ngezabe sahala amin’ny
tendrombohitra maintibe aseho ahy, ary ao anatin’io dia misy feo miteny
hoe: «Ity ny fahotanao Rakotozandry; mbola manantena ho voavonjy
ihany ve ianao amin’izao? Very ianao ka tsy azo vonjena intsony fa tsy
maintsy lasa any amin’ny afobe ianao».