NY FIFOHAZANA FARIHIMENA
RAKOTOZANDRY Daniel.
TOKO I: FARIHIMENA
5.1. NY TOERANA
Efatra amby roapolo kilometatra avy ao Betafo no misy azy. Avaratr’Antsirabe,
faritany Antananarivo. Misy farihy hodidinin’ny harefo ao ambany andrefan’ny
Fiangonana ankehitriny ka miteraka taratra mena ao amin’ny rano. Ny loko
ananan’io farihy io no mahatonga ny anarany hoe: Farihimena. Toerana be
hatsiaka noho izy tsy lavitra an’Ankaratra. Mamoro-potsy sy mandry ; tahaka
ny fitaratra izy amin’ny ati-ririnina (May –Aogositra)
5.1.1. NY MPONINA
Antsoina hoe: Vakinakaratra ny mponina ao Farihimena izany hoe: Merina.
Saika tantsaha avokoa ny mponina; mpamboly ovy izay foto-tsakafo any rahateo
ary mpiompy koa. Ny mponina dia somary sahirana ihany noho ny toe-tany
karankaina onenany.
5.1.2. NY TEOTR’ANDRO
Hafahafa ihany ny toetr’andro tamin’ny fotoana nipoiran’ny Fifohazana
Farihimena. Tamin’iny faritanin’Ankaratra iny dia nanjaka tao avokoa izay
mety ho faharatsiana rehetra: halatra, vonoan’olona, fanaovana toaka gasy,
fitiavan-tena, fitiavan-karena, fahalianam-boninahitra, fidorohana zava-mahadomelina,
fanompoan-tsampy, fijangajangana, tokan-trano imaso, sns…. Niteraka fahavoazana
eo amin’ny fiaraha-monina manontolo ny vokatr’izany fahalovana izany.
Niha-nitombo koa ny hetaheta te-hahazo fahaleovantena ka betsaka ny
antoko Politika nipoitra tamin’izany fotoana izany. Nafana dia nafana tokoa
ny resaka ny amin’ny fitiavan-tanindrazana. Lazaina tamin’izany fotoana
izany fa MASINA NY RAZANA…MASINA NY TANINDRAZANA. Velona ny dina tamin’ny
fitiavan-tanindrazana. Natao ny velirano isan-karazany ho amin’ny fiaraha-mitolona
mba hahazoana ny fahaleovan-tena…Tamin’izay anefa dia nampiasaina ny Litorjy
Kristiana sy ny fiantsoana razana. Toy izao ny fomba natao tamin’izany
:
- Amin’ny anaran’Andrianampoinimerina…amin’ny anaran’Ilaidama…amin’ny
anaran-dRainandriamampandry …amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka
ary ny Fanahy Masina sns…
Teo amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia nafangaro poti-tany
nalaina avy tamin’ny fasana ny Divaim-Pandraisana sns… Tena fifangaroharoan’ny
Fivavahana Kristiana tamin’ny fanompoan-tsampy no nitranga tamin’izany.
Noho ny asa maro izay notanterahin’ny fanjakana ka nampitondra fahoriana
ny vahoaka dia loa-bolana ny maro nanao hoe : «Angamba tsy mahay
teny gasy intsony izao Andriamanitra izao». Maty ny aim-panahy ka
dia nalemy ny Fiangonana. Lasa atao diniky ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo
ao am-Piangonana ny raharaham-pamadihan-drazana. Ny fanaovam-bokatra ao
am-piangonana dia arahin-tehaka ho an’ny olona izay manao betsaka… Izany
aizina mameno ny faritra Ankaratra sy mandrakotra ny faritra maro manerana
an’i Madagasikara izany no tian’Andriamanitra hampiposahana ny mazava ka
namohazana an’i Dadatoa Rakotozandry Daniel mba hitondra hafatra HAMPIBEBAKA
NY OLONA REHETRA…