TANIKO: MORCEAUX D'HISTOIRE & GENEALOGIE

"...Ny ranomasina no vala-parihiko!"
                                                                  Nangonin'i Moïse Ramilamintsoa

Teny Fanolorana


         Fanaon'ny Firenena hendry amin'izao tontolo izao ny mikaroka sy manoratra ny tantaran-drazany, satria raha "zavatra tsy misy tantara dia heverina ho toy ny tsy misy".

Ny tantaran'ny Fanjakana dia manamporofo fa ny Fahaleovantenan'ity Nosy ity dia tsy nomen'Andriamanitra ho adidin'ny Merina Ambaniandro samy irery, fa tsy maintsy iarahan'ny foko valo ambin'ny folo manao vao ho tanteraka. Ezaka mankadiry no efa vitan'ny Razantsika, nanorina ny firenena sy nampivoatra ny fanjakana malagasy tao anatin'ny taon-jato maro,  kanefa tamin'izany andro izany dia tsy ampy ny làlana, ny fahaiza-manoratra sy ny fitaovan-tserasera. Fa ny fanontaniana mety manitikitika antsika, kanefa tsy ny kely indrindra, dia ity:
           Fa mba inona tokoa ary moa no atao hoe "Firenena" sy ny atao hoe "Fanjakana"?

           Ny valiny dia tsotra ihany, saingy tsy tadidin'ny maro matetika, ka tsara ampatsiahivina:
- ny "Firenena" dia vahoaka manana teny iombonana sy fomba iraisana, ary miara monina amin'ny tany iray ("Nation" hoy ny teny frantsay);
- ny "Fanjakana" kosa dia manana endrika roa:
1°) dia rafitra sy fomba fitondrana, fandidiana sy fanapahana, mandamina ny tany sy ny vahoaka ary ny fahefana ao amin'ny firenena iray: ohatra, fahefana "mpanantanteraka", "mpanao lalàna", sy "mpitsara", ("Etat" hoy ny teny frantsay)
2°) dia teny manondro ny tany entina, na fehezin'ny mpitondra iray (ohatra: fanjakan'Itoera).

Ny taranaka tsy mahalala ny tantaran'ny Razany, na izay Vahoaka tsy mahafantatra ny tantaran'ny Fireneny dia sahala amin'ny olona manao an-jamba mandeha lavitra nefa tsy mitondra vatsy, na sahala amin'ny velona tsy manan-kambo eo amin'ny fiainany ka raha vao sedrain'ny olona hafa firenena na fiaviana dia miafiafy tsy mba manan-kambara.

HIFANDOVANA mantsy ny tantaram-pirenena sy ny an'ny Fianakaviana: haja iombonana, na henatra ifanakonana, koa dia tsara tahirizina sy aparitaka mba ho kolon-tsaina sy ho kolo sainan'ny taranaka mifandimby. Fa ny tantara no ahitana ny fivoaran'ny fanjakana, ny herim-panahin'ny firenena, ny tarigetram-piainan'ny Razana, ny finoany sy ny fahendreny, ny zo amam-boninahiny, ny lazany sy ny fahafoizan-tenany, ny fahoriany sy ny fitsapan-toetra niaretany, ny adim-piainana samihafa nanaovany ny ainy tsy ho zavatra teo amin'ny sehatry ny fianakaviana, ny tanindrazana sy ny fanjakana.

Ho fameloma-maso ny tenin-drazana, sy ho fanomezam-boninahitra ireo izay mandefa soratra na raki-tantara tiana aseho eto, dia samy ampiasaina eto amin'ity serasera ity na ny teny malagasy, na ny teny frantsay. Maro tokoa mantsy amin'izao andron'ny fanatontoloana izao ireo havantsika efa manambady vahiny, ary ao ihany koa ireo vahiny liana te ahafantatra ny mikasika ny "taniko", ...ny tanintsika. Aza misalasala mampahafantatra ireo havana aman-tsakaiza ny fisian'ity serasera ity.

Ary raha sitrakao ny hahazo vaovao, na handefa hafatra mivantana amin'ny mpikambana rehetra amin'ity sehatra ity, dia ampidiro eto ny adiresinao:

Pour recevoir nos Newsletters ou adresser vos messages
à cette communauté, veuillez remplir cette boîte d'inscription
Prénom:
Nom:
s'abonner se désabonner

Mirary anao ho liana sy ahazo fahafinaretana, Tompoko !

| Monarchie >> | Retour au Sommaire |


© 2004, SPLT Marketing & Communication Services