Lehilahy malagasy raim-pianakaviana no nofidian'i Masina Maria hisehoana hampitana ny hafatra.
Izy no nanorina ny fiangonana katolika tao Ankokaina tamin'ny 17 Febroary 1974 hatramin'ny 28 Desambra 1980. Nanorina ny fiangonana katolika tao Anosivolakely koa izy tamin'ny 18 Oktobra 1987, ary ny fiangonana tao Ankokaina ihany no nosoloina an'ity ao Anosivolakely ity. Ary dia izao izy nasain'i Masina Maria nanorina ny fiangonana nofidiany hanajana azy ao Anosivolakely izao.
Nila hevitra sy nangataka tamin-dRapatrice ny olona vitsivitsy tao Andasibe Andriamenakely mba hanampy azy ireo amin'ny fanaovana trano fiangonana na sekoly, sy mba hampianatra ny olona hivavaka. Nanaiky Ra-Patrice ary nanome fotoana azy ireo tamin'ny 10 Novambra 1990.
Tonga soa aman-tsara tany Andasibe Ra-Patrice ny Asabotsy 10 Novambra 1990. Rehefa avy nampianatra hira sy vavaka ny olona izy ny tolakandro, dia nampandrosoana tao amin'ny trano natokana handraisana ny vahiny nony hariva, ka enina (6) mirahalahy izy no niray trano fandriana tao.
Nony vita ny sakafo hariva, dia samy niomana hatory ireto namany dimy lahy, fa Ra-Patrice kosa dia mbola nanomana ny fandaharana izay tokony hitondrana ny fotoam-pivavahana ny ampitso Alahady 11 Novambra 1990. "Tsy mbola nieritreritra ny hatory mihitsy aho, hoy Ra-Patrice, no sady lasa eritreritra koa nandinika ny fianako sy ny vady aman-janako ary ny fahantrany... Sahabo ho tamin'ny 10 ora sy sasany alina, raha teo am-pieritretana iny aho, no nisy zavatra niseho toy izao: nisy tselatra in-telo miantoana,...taorian'izay nisy lel'afo toy ny lel'afon-dabozia, saingy lehibebe kokoa sady nihanazava hatrany, ka dia nazava be tao amin'ilay efitra nisy anay 6 mirahalahy"...
" Avy eo, dia nisy zavona niforona ka teo amin'io zavona io no nisy
lagoraoty, ary niditra tao 'lay Vehivavy izay nitondra Testamenta Vaovao".
(Marihina fa tamin'io fisehoana voalohany io IHANY Masina Maria no nitondra
boky-na Testamenta Vaovao). Ary dia niteny tamiko izy nanao hoe: "Izaho no
Masina Maria Mpanjakavavy Renin'i Jesoa Kristy; nirahan'ny Zanako aho hampita
hafatra ary hampanao asa anao". Dia namaky ny Timote 3, (1-17) izy. Novakiany
hatramin'ny faany izany alohan'ny hiresahanay.
Ny Fiangonana sy ny lagraoty nasain'i Masina Maria naorina

Manomboka amin'ny taona 1991 ka hatramin'ny taona 1995, dia hihamafy hatrany ny fiainan'ny Malagasy: hisy loza voajanahary, hain-tany, tondra-drano, rivo-doza..., ady an-trano madinidinika, rà latsaka... Ary amin'ny taona 1995 dia ho tafakatra any amin'ny 80% ny Malagasy mahantra fadiranovana. Koa izany no angatahako ny Malagasy mba hibebaka sy hiala amin'ireo fototry ny faharatsiana ireo, satria raha lasa ireo dimy taona ireo ka tsy miova ny Malagasy, dia ho mafimafy kokoa noho izany indray ny fiainana: mety ho ady an-trano, ka fananana maro no ho potika amin'izany, ain'olona maro no hafoy, miampy ny loza voajanahary...
Koa noho izany, mandehana ianao manambara izany amin'ny Kardinaly, izy kosa hampita izany amin'isan'ambaratonga, ka ho tonga hatrany amin'ny madinika indrindra. Ilazao koa ny mpitondra Fanjakana isan-tsokajiny sy ny FFKM, satria tratran'ireo faharatsiana ieo daholo, na ny mpitondra Fivavahana, na ny mpitondra Fanjakana, na ny olon-tsotra.
Tamin'izay fotoana izay dia niaiky Ra-Patrice fa tsy ho vitany ny hampita ny hafatra amin'izany olona ambony rehetra izany, satria izaho, hoy izy, dia tambanivohitra mahantra sady mavomavo. Koa niangavy izy mba ho olona hafa no hofidiany hanao izany, nefa dia nolaviny. Fantatro, hoy Ra-Patrice, fa tsy hihaino ahy ny olona ary lazainy ho adala aho.
- Tsy hihaino anao ary tsy hiraharaha anao izy ireo, nefa tsy maintsy ilazàna, hoy Masina Maria, ary aza kivy. Amin'izay, rehefa tonga ny andro sarotra, tsy afaka hilaza intsony izy ireo hoe tsy mahafantatra izany. Niangavy azy Ra-Patrice mba hiseho amin'olona roa na telo, kanefa dia nolaviny izany.
2°) Manaova Fiangonana mirefy 9,90m ny sakany ary 30m ny lavany ao Anosivolakely ianao, fa ho avy hitsaoka ny Zanako ary hanaja ahy amin'io toerana io ny olona maro, tsy ny Malagasy ihany fa ny olona eran'izao tontolo izao. Ny vola hanaovana io fiangonana io dia tsy ny volan'ny Malagasy, fa hisy fikambanana avy any ivelany hanampy anao. Raha misy Malagasy te-handray anjara, dia asaivo hanaovany asa fitiava-namana na asa fiantrana ny volany.
Tsy ho vitanao irery anefa izany, fa hisy Malagasy anankiray hanampy anao amin'izany, ka ny fomba hahafantaranao io olona io dia toy izao: handre feon'olona ianao miteny hoe "Izaho dia mivavaka isan'andro isan'andro, ka raha mbola afaka foana aho, dia mamonjy lamesa arak'izay azoko atao, indrindra ny Alahady". Mety hoa amin'ny vory vahoaka, na amin'ny fampielam-peo, na any am-piangonana no handre nesanao izany.
Tadiavo io olona io, ary izao no ambaranao azy: "I Masina Maria no naniraka ahy. Efa nangataka tamin'ny zanany ianao, ary nomeny lavitra noho izay nangatahanao, koa miangavy anao Izy hanampy ahy hanao ity Fiangonana ity".
3°) Sarotra ny hahavitako izany, hoy Ra-Patrice. Ho vitanao io, ho i Masina Maria, kanefa raha tsy mahatoky aloha ianao, dia ny asa ataonao voalohany: satria tsy mbola misiny tranon'i Mpmpera ao Anosivolakely, dia ataovy io trano io aloha. Tsy mitady fanampiana na amin'iza na amin'iza ianao, fa ataovy amin'izay zava-misy eo am-pelatananareo mivady. Tsy mahazo mivarotra tanimbary na zavatra hafa. Satria tamin'io fotoan'io indrindra manko Ra-Patrice no saika hivatrotra ilay tanimbary tany Andasibe Andriamenakely. Dia nomeny koa ny refin'ilay trano.
4°) Alohan'ny hanangananao an'io fiangonana io, dia hisy olona hitsodrano anao, ka ny ahafantaranao azy dia, ho faty izy aloha vao hovelona indray, ka min'izay hiteny aminy ianao hoe: "Mikasa hanangana fiangonana ao Anosivolakely aho, ka mba mangataka ny tsodranonao; raha velona soa aman-tsara ianao, dia miara-mivavaka isika mba hahavitany soa aman-tsara, fa raha maty kosa ianao, dia mivavaha ho anay any. Izao no teny voalan-dRaPatrice ny amin'izany: "Maty ny Dadatoako ny asabotsy hariva, ary natsotra fa ho avy ny mpiray monina hamangy; kanefa raha niandry azy izahay, dia nihaniaina indray izy tamin'ny 12 ora alina tany ho any, nierotra toa nahazo tory... Ny alahady maraina, afaka niteny... Ny alahady hariva afaka niarina nitsodrano ahy sy ireo nanatrika... ary ny alatsinainy tamin'ny telo ora hariva dia maty!"
5°) Mbola hiteraka zaza faha-9 ianareo mivady amin'ny taona 1991.
6°) Nomen'i Masina Maria tamin'io fisehoana voalohany io ihany koa ny Tenin'ny Soratra Masina izay tokony hampieritreritra antsika hibebaka. "Raha misy olona te-hahita ahy, hoy izy, dia asaivo mamaky sy mandinika ireo tenin'ny Soratra Masina ireo izy. Ireo kosa no hibaiko azy hiasa sy hiova".
Indro atolotra antsika eto
| Laharana | Soratra | Toko (Andininy) | Laharana | Soratra | Toko (Andininy) |
|---|---|---|---|---|---|
| 1- | II Tim. | 3, (1-17) | 17- | Tit. | 3, (9-11) |
| 2- | Jak. | 2, (5-9) | 18- | I Kor. | 12, (14-26) |
| 3- | Jak. | 3, (13-18) | 19- | Heb. | 13, (1-5) |
| 4- | Rom. | 1, (28-32) | 20- | Mat. | 5, (3-16) |
| 5- | Asa | 5, (1-11) | 21- | Rom. | 6, (12-23) |
| 6- | I Joan. | 2, (15-17) | 22- | I Kor. | 1, (26-31) |
| 7- | Rom. | 3, (10-18) | 23- | Filip. | 3, (8-11) |
| 8- | Rom. | 9, (19-23;30-33) | 24- | Kolos. | 3, (5-17) |
| 9- | Efez. | 4, (1-16;25-32) | 25- | I Tim. | 2, (8-10) |
| 10- | Rom. | 12, (1-10) | 26- | II Kor. | 9, (8-15) |
| 11- | Mark. | 10, (17-22) | 27- | I Tesal. | 5, (14-22) |
| 12- | II Tim.. | 1, (8-14) |
|
I Tim. | 6, (3-10;17-19) |
| 13- | Jak. | 1, (5-15;21-27) | 29- | I Kor. | 3, (6-8) |
| 14- | I Kor. | 13, (4-7) | 30- | II Tim. | 2, (22-26) |
| 15- | Liok. | 10, (25-37) | 31- | Gal. | 6, (7-10) |
| 16- | Gal. | 5, (16-26) | 32- | II Tim. | 2, (10-17) |
8°) Nampianatra an-dRaPatrice nivavaka koa i Masina Maria. "Rahefa mivavaka, hoy izy, dia ataovy vokatry ny fo, fa aleo mahavita kely tena vokatry ny fo, toy izay manao vavaka lava reny, na toko sapile be dia be, nefa ny saina any amin'ny zavatra hafa. Lazao izay ao am-ponao ka ataovy toy ny eo anatrehanao mihitsy Andriamanitra sy izaho Reninao".
9°) Nasain'i Masina Maria nanao sary mivongana izy araky ny fahitany azy, ka apetraka eo amin'ilay lagoraoty kely eo ambonin' ny Fiangonana. Ny halavany, hoy izy, dia 1,54m ka hatramin'ny 1,74m.
Fa ankoatr'ireo, dia ao koa :
- ny fanaovana trano fianarana (sekoly
hanabeazana ny ankizy ara-pinoana).
- ny fananganana trano fitsaboana;
-
ny asa fiantrana, sns...
Fisehoana faharoa: 29 Marsa 1991, tamin'ny 9 ora alina; Fisehoana fahatelo: 13 Avrily 1992, tamin'ny 5 ora hariva; Fisehoana fahaefatra: 09 Avrily 1993, tamin'ny 5 ora hariva; Fisehoana fahadimy: 01 Avrily 1994, tamin'ny 5 ora hariva; Fisehoana fahaenina: 23 Mey 1994, tamin'ny 5 ora hariva; Fisehoana fahafito: 15 Zanvie 1995, tamin'ny 5 ora maraina; Fisehoana fahavalo: 23 Mey 1995, tamin'ny 5 ora maraina; Fisehoana fahasivy: 18 Aogositra 1995, tamin'ny 5 ora maraina; Fisehoana fahafolo: 25 Novambra 1995, tamin'ny 9 ora maraina; Fisehoana faha-11: 25 Marsa 1996, tamin'ny 5 ora 45 hariva.
13°) Nandritry ny fisehoana faharoa ka hatramin'ny fahasivy, dia ny fanaraha-maso ny fanorenana ny trano fiangonana no nibahan- toerana, no sady nankahery an-dRaPatrice izy eo amin'ny fampitàna ny hafatra tsy maintsy tanterahiny.
14°) Tamin'ny fisehoana fahafolo, izany hoe ny 25 Novambra 1995,
Tamin'io fisehoana io koa no nanambaràny ny faniriany
"Mazotoa mikonfesy, hoy izy, fa izay avelan'ny Pretra dia avelan'Andriamanitra!".
15°) Tamin'ny fisehoana faha-11, ny 25 Marsa 1996, dia nanafatrafatra i Masina Maria ny tokony hivavahantsika tsy ankijanona, ary nomeny toerana manokana amin'izany ny Raozery. Ny zavatra nampiavaka ity fisehoana indray mandeha ity tamin'ireo teo aloha, dia ny
| Haut de page | Monarchie >> | Sommaire | Contact |